Ny olom-pirenena rehetra no tokony hamboly hazo.
Miovaova ny toetr’andro eto amintsika. Vokatry ny hetsika fanimbana ny tontolo iainana daholo anefa izany. Efa betsaka ireo fikambanana nitarika ny olona hiaro ny tontolo iainana ; eo ihany koa ny fitondram-panjakana. Samy nanao izay azo atao araka izany ny olom-pirenena tsirairay tamin’ny fambolen-kazo sy tamin’ny hetsika hafa hiarovana ny tontolo iainana. Nisafidy nitondra ny anjara biriky amin’ny maha olom-pirenena azy ireo miaramilan’ny BMM3 miaraka amin’ny 2/RM5 ny amin’ny fanatanterahana ny fambolen-kazo izay natao tao amin’ny 519 Compagnie Sampona. Isika rehetra no hisitraka ny fahadiovan’ny tontolo iainana ka tsy tokony hisy sehatra manokana tokony hanao izany akory fa afaka manatanteraka ny fambolen-kazo avokoa. Ny « Graines de vie – Taolagnaro» no nanome maimai-poana ireo zana-kazo ireo ho an’ny miaramila ireo. Adidin’ny olom-pirenena tia tanindrazana ny fambolen-kazo hoy ny Jenerely Pikulas Démosthène, Talen’ ny asa CCOK no sady Lehiben’ny BMM3. Ka izany indrindra no anentanana antsika rehetra fa sady ho an’ny taranaka rahatrizay izany.
Nicole Rafalimananjara




