Andao hiara-misoroka ny aretina Covid-19.
Manomboka miverina mihanaka eto amintsika indray ilay aretina Covid-19 ankehitriny. Mila raisina dieny izao araka izany ny fepetra mba tsy hirosoantsika amin’ny fihibohana indray. Ny ao Mahajanga izao, mitombo isa isan’andro ireo tratran’ny aretina. Tsy mbola misy anefa hatreto ny fanapahan-kevitra manokana ho fisorohana izany fa ny tsirairay no asaina miaro ny tenany. Kanefa ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana efa napetraka toy ny fanajana ny elanelana sy ny fanaovana aro vava orona dia harahi-maso akaiky manomboka izao. Tsy latsa-danja ihany koa ny any Nosy Be, faritra DIANA fa hisy ny fidinana akaiky kokoa any an-toerana. Na dia fety aza ny andro dia nidina ifotony nanoro hevitra, nanao fitiliana ary nandray an-tanana ny ny fahasalaman’ireo olona nahitàna soritr’aretina ny « Equipe mobile Covid-19 – EMAR DIANA » ny Alatsinainy 8 martsa 2021 lasa teo. Tsy mikely soroka araka izany ny vehivan’ny fahasalamana manatona ny Vahoaka ary manao ny ezaka rehetra amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’izy ireo. Tafiditra anatin’ny hetsika fankalazana ny fetim-behivavy ity kanefa mitohy foana ny fandraisan-tanana. Vonjy aina ity ka tsy tokony hisy sokajy manokana ho an’izay te hanolo-tanana ireo marary. Nanahirana antsika ny fihibohana ka aoka isika hisoroka.
Nicole Rafalimananjara
