ConseilTsidika

Torohevitra : Ireo voka-tsoa azo avy amin’ny fampiasana ny canelle

Hanitra, vokatra, harenan’i Madagasikara ny kanelina. Epice vokarintika malagasy izy ary maro dia maro ireo azo ampiasana azy, na hikarakarana vatana, na atao amin’ny sakafo, eny na entina hitsaboana ireo aretina isan-karazany aza.

Anisan’ny mandrisika ny fiasan’ny hery fiarovana amin’ny vatana ny canelle. Miaro ny karazana mikraoba sy otrik’aretina samihafa izy io, ohatra, raha voan’ny gripa dia afaka mihinana azy mba hampalefadefaka ny aretina.  Manamora ny fandevonan-kanina ihany koa ny kanelina, mampitony ny aretim-bavony izy ary manasitrana ny aretin-kibo; manala maloiloy ary manala rivotra amin’ny kibo raha sendran’izany.

Mety amin’ny mpianatra ihany koa ny fihinana ny kanelina satria mamparanitra saina, miaro amin’ny harerahana.

Raha hikarakarana vatana indray, manala mony izy amin’ny faritra misy izany izy. Afangaro amin’ny tantely no fampiasana azy amin’izany. Manazava ny volo kosa raha toa ka hikarakarana ny volo.

Maro dia maro ny fomba azo ampiasana ny kanelina na hitsaboana na hikarakarana vatana. Azo atao ny manao azy ho dite na atao amin’ny nahandro, samy ahitana voka-tsoa avokoa.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire