ActualitésTsidika

Atsiranana : Miakatra ny vidin’ny legioma

Miakatra ny vidim-piainana indrindra fa ny vidin’ny legioma ao Atsiranana. Tafiakatra 7000 ariary ny iray kilao amin’ny haricot vert raha toa ka 4000 ariary kosa ny iray kilao amin’ny karaoty. « Tena niakatra be ny vidin’entana. Asa raha miakatra tahaka izany ihany koa any amin’ny tantsaha mpamokatra. Lafo ny fiainana ankehitriny, tsy vitan’ny vidim-bary irery no miakatra amin’izao” hoy i Esperiancia, mponina ao Atsiranana. Fotoana tokoa izao ampiakarana ny vokatra avy any Bealanana. Fotoana izao entina ampiroboroboana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Mifameno avokoa ny sehatra rehetra. Tsy tsara anefa ny mifanararaotra ao antin’izao vidim-piainana miakatra izao.

Laisser un commentaire