ActualitésTsidika

Toliara : Hampirantiana izay mampiavaka ny faritra Atsimo Andrefana ny « Vez’tival »

Hetsika iray natao hampahafantarana sy hampiroboroboana ny kolontsaiana sy ny toerana sy ny zava-misy rehetra ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny « Vez’tival ». Tsy dia nahazoana tombontsoa betsaka ny fizahantany tao anatin’ny fotoanan’ny covid 19 ka mba hamerenana izany indray dia nikarakara ity hetsika ity ny avy ao amin’ny fiadidiana ny fizahantany ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Fiaraha-miasa ORTU sy ny fikambanana Vezo « Vavea » no nahafahana nanatanteraka ity hetsika ity.

« Raha tsy ahetsika mihitsy ny mahakasika ny fizahantany aty amin’ny faritra Atsimo Andrefana dia mbola ho vitsy foana hatrany ny olona tonga aty. Natao izao hetsika izao mba hahafahana mampiseho ny zavatra afaka tsidihina aty. Eon y kolontsaina, ny zava-maniry, ny fomba, sy ny tantara rehetra », hoy ny talem-paritry ny fizahantany ao Atsimo Andrefana.

« Maro ny seho sy ny kilalao hita nandritra ny hetsika; ireo seho rehetra izay manome lanja ny faritra satria ziay rehetra mampiavaka ny faritra daholo no nokarakaraina tamin’izany. Ansian’ny nanaitra ny mason’ny olona maro izao ny nahakasika ny fifaninana mamily lakana mandeha amin’ny tosiky ny rivotra. Lalao iray anisan’ny mampiavaka ny fizahantany aty Atsimo Andrefana », hoy ny tompon’andraikitry ny fikambanan Vavea.

Nofaranana tamin’ny seho an-tsehatra izay nafanain’ireo mpanakanto manana ny maha izy azy maro moa izany hetsika izany. Ilaina ny hetsika toy itony, ahafahana mamerina mampahafantatra indray ny mahazava-dehibe ny fizahantany izay efa zary tsy ahazoana olona intsony noho ny antony maro samihafa. Ampiana tosika ihany koa ny fikarakarana izany mba ho fantatry ny olon-drehetra.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire