Talata Volonondry: Nosoloina ho andrin-jiro “béton” ireo andrin-jiro hazo tao an-toerana
Nirotsaka an-tsehatra teny amin’ny kaominina Talata Volonondry, ireo tomponandraikitra avy amin’ny orinasa Jirama, ny alahady teo, nitondra fanavaozana ireo andrin-jiro tao an-toerana. Nosoloina andrin-jiro “béton” ireo andrin-jiro hazo, araka ny voalaza.
“Asa voahomana izay mitaky fahatapahan’ny famatsiana herinaratra teny an-toerana ny fanamboarana tahaka izao. Ny tanjona aoa anatin’izany dia ny hanatsarana hatrany ny fitsinjarana herinaratra any an-tokantranontsika mpanjifa” hoy ny avy amin’ny orinasa Jirama.
“Ekena hatrany rehefa asa fampandrosoana sy fanatsarana ety amin’ny tanàna. Hisaorana ireo tomponandraikitra. Hirariana moa mba hitohy hatrany izany ezaka izany satria ny resaka jiro dia miteraka olana hatrany rehefa tsy mahavaly ny filàn’ny mpanjifa” hoy i Rado, mponina ao lata Volonondry.
Zava-dehibe ny fandraisana andraikitra tahaka izao. Maro tokoa ireo andrin-jiro hazo izay mila fanoloana amin’izao fotoana, fa tsy ny ao amin’ny kaominina ity ihany. Tsy tokony hiandry azy ireo ho tapaka anefa vao hiantso ny jirama, tomponandraikitra.
Manitra R.
