ActualitésTsidika

Tafika : Mandray anjara amin’ny fomba am-pitain-davitra amin’ny fampiharana an-dranoamasina i Madagasikara

Efa nisokatra ofisialy herinandro lasa izay ny fampiharana ataon’ireo miaramila an-dranomasina tarihin’ireo tantsabo avy any Etats-Unis ao amin’ny Ranomasimbe Indianina. Mandray anjara amin’izany hetsika izany i Madagasikara.

Nampitain-davitra kosa ny fandraisana anjara tamin’ity fampiharana ity. « Ny avy ao amin’ny Etamazoron’ny tafika an-dranomasina sy ny ivon-toerana misahana ny ita an-dranomasina no misolo tena an’i Madagasikara amin’ny hetsika Cutlass Express 2022. Ny US Navy kosa no mitantana ny hetsika » hoy ny avy ao amin’ny minsiteran’ny fiarovam-pirenena.

« Firenena 15 aty Afrika Atsinanana no mandray anjara amin’ity hetsika ity. Manampy izany ihany koa ireo nosy andrefan’ny ranomasimbe Indianina » hoy ny avy ao amin’ny l’US Naval Forces Europe-Africa (Navaf), izay mikarakara ny hetsika. Ho entina hanatevenana ny traikefan’ireo tafika an-dranomasina ity hetsika ity, indrindra hisorohana ny trafika zava-mahadomelina sy fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna na indrindra ireo vondrona mpampihorohoro. Ao amin’ny seranan-tsambon’i Djibouti sy eny an-dranomasina no hanatanterahana izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire