ActualitésTatitra

Indonésie : Olona folo no maty nandritra ny « méditation » teny amoron-dranomasina

Olona 23 no nanao « méditation » nifandray tanana teo amoron-dranomasin’i Payangan, ao amin’ny faritanin’i Java Atsinanana ny alin’ny faran’ny herinandro teo. Nanakaiky ny rano loatra nefa ireo olona ireo ka nentin’ny onja. Olona 10 no maty tamin’izany, 12 kosa no avotra, ary iray no mbola tsy hita, hoy ny lehiben’ny polisy misahana ny raharaha Hery Purnomo.Mihidy io toerana io amin’ny alina, saingy tafiditra tao amin’ny toerana ihany ireo olona ireo hoy ny mpitarika ny miaramila ao Batara Pangaribuan. Nanamafy izy fa tsy azo atao ny manantona ny rano amin’io fotoana io noho ny tanjaky ny onja. Voavonjy kosa ny mpitarika na « Gourou » nitarika io « méditation », ka hiatrika fanadihadiana.

Laisser un commentaire