SocialTsidika

Soamanandrariny Ambohimangakely : Misavovona ny fako, tsy misy ny fandraisana andraikitra

Mitobaka ny fako eo Ampatsy Soamanandrariny, izay ao anatin’ny Kaominina Ambohimangakely, ka velon-taraina manoloana ny loto sy ny fofona ary ny valan’aretina aterak’izany ny mponina eny an-toerana. Mangataka ny fandraisana andraikitra avy amin’ny Kaominina noho izany ireo mponina mba hisian’ny fandrosoana izay dradradrain’ny Kaominina ho tena ilaina.

« Variana mampandroso ny tanàna tokoa ve ny tompon’andraikitra ka manadino ny fisian’ity fako be mitobaka eto aminay ity ? Ny fiara mpandroaka fako amin’io zara raha mitondra izay zakany ka ny eo ihany no eo, vao maika mitombo aza » hoy i Njarasoa, mponina eny Ampatsy Soamanandrariny. « Izahay aza mandalo fotsiny mila tsy hahazaka ny fofony sy izy miparitaka satria efa diso feno loatra maika fa ny mponina monina eny amin’ny manodidina » hoy i Fanantenana, renim-pianakaviana monina eny Ampasampito. « Rehefa tsy madio ny tanàna dia tsy hisy ny fandrosoana satria tsy afaka ny handroso ny vahoaka raha maloto ny manodidina azy » hoy i Jean, manam-pahaizana mikasika ny fampandrosoana lovainjafy

Tsy eny Somanandrariny irery ihany no maloto fa saika ny tanàna mihitsy. Tena tsy laharam-pahamehana ho ann’y mpitondra mihitsy ve izany ny fahadiovana ? Hanao fotodrafitr’asa manara-penitra kanefa manodidina azy feno loto sy maloto ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire