Torohevitra : Ireo voly mety ahazoana voakatra betsaka ho an’ny volana oktobra
Efa manomboka mafana izao ny andro. Efa hanomboka hiena tsikelikely arak’izany ny hamandoan’ny tany izay hambolena. Mila mitandrina ny mpamboly mandritra izany satria toy ny olombelona ihany koa dia mila rano ny zava-maniry.
Ireo izay tena mpamboly dia ireto misy vokatra maromaro azonao ambolena manomboka amin’ity volana oktobra ity. Tsara ny manamafy fa tokony harahina maso matetika ny fambolena amin’ny fotoanan’ny maintany toy izao. Ireo mpamboly eto afovoan-tany no tena voakasik’ireto torohevitra ireto.
« Amin’ny andro mahamay toy izao no hahafahana manomboka mamboly ny tsaramaso, haricot vert, anana, laisoa, choux fleur, pastèque, karaoty ary ny beteravy. Mila tandremana tsar any rano mba ho ampy azy ireo na dia azo atao azan y maboly azy ireo amin’izao fotoana mahamay dia mahamay izao. Tokony tsy ho hadinoina noho izany ny manao rakotra mba ho fitsinjovana ny voly sy mba hahafahana mitazona ny hamandoan’ny tany », hoy ny avy ao amin’ny Fermagri Kolo.
Tsara hatrany ny manampy ny fahaizana avy amin’ireo matihanina sy ireo manampahaizana mba hahafahana mahazo vokatra tsara. Misy ireo fikafika hatoro any anatin’ireny fiofanana ireny, izany anefa tsy mahasakana ny fampiasana ireo fahaiza-manao efa nolovaina. Tsara hatrany ny malala-tsaina ka mampifandray ny zavatra hay taloha sy ireo izay hampianarina noho ny fandrosoan’ny teknolojia ankehitriny.
Miora Raharisolo
