Etats-Unis : Efa hita ao amin’ny Play Store ny tambajotra sosialin’i Donald Trump
Noraisan’ny Play Store an-tanàna ny tambajotra sosialin’i Donald Trump atao hoe Truth Social taorian’ny fandavan’ny Google azy. Raha tsiahivina dia nohon’ny tsy fahampian’ny votoanton’ny « plateforme » no nandavan’ny Google io tambajotra io tamin’ny volana aogositra teo. Manoloana izany dia nasiam-panavaozana ny Truth Social ary afaka manàla ireo hafatra mandrikitra ny herisetra.
Ny volana febroary teo no nanomboka nisy ny Truth Social. Hihoatra ireo tambajotra sosialy hafa, indrindra Twitter no tanjona amin’ny famolavolana azy. Tsiahivina mantsy fa tsy afaka mampiasa io tambajotra Twitter io intsony i Donald Trump nanomboka ny volana janoary 2021. Mbola laharana faha-89 amin’ny sokajin’ny tambajotra sosialy kosa nefa ny Truth Social hatreto.
