ActualitésTsidika

Anosy Avaratra: Isan’ireo kaominina manan-karena vakoka manan-tantara

Iray amin’ireo kaominina mandrafitra ny distrikan’Avaradrano ny kaominina Anosy Avatra. Anisan’ireo kaominina manana ny mampiavaka azy, indrindra eo amin’ny ara-tantara sy vakoka materialy ny kaominina Anosy Avaratra. Maro ireo toerana manatantara azo tsidihana, ary mipetraka ho lova ao an-toerana toa ny tranon’ny goverora Rabeony, ny vatolahin’Isahafa, ny fasan-dRanivo maritiora, ary ny Mont de Joba.

« Nanamarika ny tantara ary hahafanatarana ny fototra nihaviana ny fisian’ireo toerana miavaka sy manan-tantara isam-bohitra eto Analamanga ireo. Manana ny antony sy ny tantara ara-pomba nahatonga azy teo amin’ireny toerana ireny. Ilaina ny fikarakarana sy ny fanajana azy ireny, mba hijanona ho lova, ampahafantarina ny taranaka » hoy i Marie, tompon’andraikitra misahana ny toerana fitsidihana.

« Anisan’ny manamarika ny maha izy azy ny tena ary taratry ny kolontsaina ny fahafantarana ny tantara sy ny momba ireo vakoka eto amintsika. Tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fahalalana ny tantara, ahafahana mandinika sy mampita ireo tsara ho an’ny taranaka ho avy » hoy i Niaina, mpandalina momba ny tantara.

Ho an’ireo te hitsidika an’Anosy Avatra moa, ka maniry ny hitsidika na hijery ireo toerana mana-tantara ireo dia ny zotra H, izay mampitohy an’andrenivohitra sy Talata Volonondry ary mandalo eo Anosy Avaratra.

Tsara, ary ilaina tokoa, ny fitsidihana ireny toerana mana-tantara, mampiavaka ny faritra ireny, indrindra fa ho an’ireo mpianatra mba hahafantarana ny tena tantara sy ny zava-marina mahakasika ny kolontsaina. Tokony hatao fitaratra ny fahalianan’ireo vahiny hahafantatra ny kolontsain-tsika malagasy fa tsy sanatria isika tompony indray no tsy hahafantatra ny tantara.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire