ActualitésTsidika

Foto-drafitr’asa: Mihemotra ny fanombohana ny fanarenana ny RN2

Mampikaikaika ny mpampiasa iny lalam-pirenena faharoa iny ny haratsin’ny lalana ka natao ho asa laharam-pahamehana ny fanarenana izany raha ho an’ny Ministeran’ny asa vaventy. Andro sisa no handrasana dia hatomboka ny asa izay efa nahazon’ny orinasa alalana saingy nisy fihemorana noho ny toetr’andro sy ny rivo-doza. Taorian’ny fitokonana izay nataon’ireo mpampiasa iny lalana iny dia efa misy ny vahaolana naroso amin’izao fotoana izao.

“Ny olana teo anivon’ny toetr’andro no mampihemotra io fanombohana ny asa io. Efa nahaitana vokany mantsy ny mahakasika ny antso izay natao tamin’ny volana janoary ka efa andalam-pametrahana ireo fitaovana ny orinasa voasafidy amin’izany amin’izao fotoana izao. Tsy hiandry ela intsony fa efa hanomboka ny asa”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Asa vaventy.  

“Ny resa-be tokony hajanona any, ilay manaramarin-tena tena mankaleo satria hita foana io rehefa vita fa tsy mila fanazavana be toy izao. Miasa mangina dia mahavita tsara fa tsy be resaka. Izay hahavitana ny asa izao no tokony himasoana fa tsy mitady “excuse” foana. Ny asa rehetra rehefa vonona ny fanjakana dia vita foana io fa tsy hiandry izay famatsiam-bola dia ny lalana mitombo ny fahasimbany”, hoy i Mamitiana, mpitatitra amin’iny lalam-pirenena faharoa iny.

Tsara ny mampatsiahy fa efa tokony nanomboka tamin’ny 15 febroary teo ny fanarenana ny RN2 iny kanefa hatramin’izao dia mbola tsy manomboka. Efa mitombo ny faharatsiana ka miteraka fahasarotana amin’ny fanarenana. Izany no tokony hampiharana ny fahendren’ny Ntaolo Malagasy mahakasika ny fanamboarana ny kely izay simba mba tsy hiandrasana izany hihitatra.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire