Tantara : Betsaka ny fady amin’ny fasan’andriana
Nisy fady niraisana notandrovin’ny andriana Merina rehetra toy ny anakandriamaso momba izay tsy mahazo milevina amin’ny fasandrazan’andriana. Rehefa andriana teto Imerina dia fady hilevenana ny fasandrazany. Ny foko hafa ivelan’ny Merina, eny fa na dia andriana any amin’ilay foko aza, dia tsy mahazo milevina ao.
Raha nisy andriana merina nila ravinahitra any amin’ny foko hafa no nanambady olona avy amin’io foko hafa io. Rehefa maty ity farany dia tsy azo alevina amin’ny fasandrazan’ny vadiny aty Imerina. Izany no isan’ny antony lehibe nahatonga izay andriana merina nanambady foko hafa nijanona nanorim-ponenana sy fasana any amin’ilay foko hafa novadiany fa tsy nody aty Imerina intsony. Ny taranaky ny andriana Merina tamin’ny foko hafa ihany koa dia fady alevina amin’ny fasandrazan’andriana aty Imerina. Izany no isan’ny antony tsy niverenan’izy ireny aty Imerina fa nisafidy hilevina any amin’ilay foko. Ireo izay niverina aty Imerina kosa dia nanao fasana vaovao ho azy ireo.
Mbola betsaka ny fady amin’ny fasan’andriana, saingy noho ny fivoarana dia nihalefy tsikelikely izany.
Nicole Rafalimananjara
