Avaradrano : Notanterahina tao amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana ny lanonana fankalazana ny fetim-pirenena
Akon’ny fankalazana ny fetim-pirenena teto amin’ny distrikan’Avaradrano; dia tao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana no nanatanterahana ny lanonana ara-panjakana, fankalazana ny fetim-pirenena 2023. Tonga tao an-toerana ireo olom-panjakana maro ary nitarika ny lanonana ny lehiben’ny distrika, araka ny voalaza.
« Tonga nanontrona ny lanonana tety an-toerana ny solombavambahoaka voafidy teto amin’ny distrika, Andiambeloson Naina, ireo ben’ny tanàna namana sy olom-boavofidy na olom-boatendry teto amin’ny an-toerana. Nisy ny matso sy ny fanolorana mari-boninahim-pirenena miisa 17 notontosaina nandritra izany » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Tena niavaka ny seho sy ireo fankalazana rehetra nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena raha ny teto Sabotsy Namehana. Hisaorana ny tompon’andraikitra nikarakara izany satria hita taratra tao anatin’izany ny ezaka sy ny fitiavana ny tanindrazana. Niara-paly sy nanadino ny ady isan’andro ny mponina » hoy i Fanomezana, mponina ao Sabotsy Namehana.
Niara-nientana tamin’ny fanatontosana izany fankalazana izany avokoa moa ireo mpisehatra maro tao an-toerana, tafiditra ao anatibn’izany ireo mpandray anjara avy ao an-toerana, ireo mpanao matso, ireo mpanakanto nandritra ny podium fa indrindra ny mpitandro filaminana.
Manitra R.
