Sainte Marie: Mitohy ny fikarohana ilay lakana sy ireo olona 8 mpandeha
Araka ny fanambarana navoakan’ny Agence portuaire maritime et fluviale (APMF),dia mitohy hatrany ny fikarohana ilay lakana rendrika tao anelanelan’i Sainte Marie sy Maroantsetra ary ireo mpandeha 8 tao aminy.
Raha ny nambaran’ny sampan-draharaha mandray an-tanana ny fikarohana dia mizara maromaro ireo “vedettes” nalefa nanao ny fiakarohana.
Voalohany ny vedette Tsapaka dia manao ny fikarohana manodidina an’i Maroantsetra sy Mangabe raha toa kosa ka any Mananara Avaratra sy Antanambe no manao ny fikarohana ny vedette Rosyas II sy ny lakana Landricka. Ny vedette iray farany kosa no nalefa nianantsimo nanomboka teo Sainte Marie.
Nanamafy ny teo anivon’ny APMF fa mbola voarara tanteraka hatreto ny fiovahana ny fari-dranomasina Avaratra Antsinanan’ i Madagasikara.
“Mbola antenaina ny mety hahitana velona ireo mpandeha satria mbola nisy naharaisana antso izy ireo ny 27 Jona lasa teo. Na izany aza anefa dia ho hafainganina faran’izay tratra ny fikarohana satria efa tsy misy sakafo sy miharitra hatsiakan’ny ireo olona ireo any.” Hoy ny lehibe mpitarika ny fikarohana.
Raha tsiahivina dia ny 24 Jona teo no niainga tao Sainte Marie ity lakana ity ka tratran’ny fahasimban’ny moteur ka izany no nitarika izao faharendrehany izao.
Miranto Andrih
