Andranonahoatra : Nanome fahazavana ho an’ny mponina
Nidina teny amin’ny kaominina Andranonahoatra Ambavahaditokana ny Ministrin ‘ny Angovo sy ny Akoran’afo Andry Ramaroson sy ny talen’ny Jirama Vonjy Andriamanga nametraka jiro manazava ho an’ny mponina.
Miezaka mamaha ny olan’ny vahoaka avokoa ny ankamaroan’ireo ministra tao aorian’ny fananganana governemanta vaovao iny. Tsy latsa-danja tamin’ireo hafa i Andry Ramaroson fa avy hatrany dia izao nanao fiaraha-miasa tamin’ny orinasa Jirama izao ka namaly ny antson’ny vahoaka teny amin’ny faritra Itaosy teny: Cobra enimpolo no apetraka ka roapolo no efa voapetaka, lampadaire solaire efapolo kosa ny amin’ny elakelantrano ka roapolo no efa voapetaka, araka ny fanambarana nataon’ity farany. Tsara ny manamarika fa nilaza ihany koa ny tenany fa hividy camion nacelle mba hanafaingana ny fametahana ny jiro ary indrindra efa nahavidy jiro efatra arivo isa ho an’Antananarivo ary arivo isa ho an’ny faritany.
« Tsara ny ezaka, fa kosa tokony ampitoviana amin’Antanarivo ny faritany hafa. Ny ezaka sy ny fanatsarana rehetra dia tokony hitovy lenta avokoa eraky Madagasikara » hoy i Vololona, renim-pianakaviana raha naneho ny heviny. Nilaza kosa Nomena, mpianatra iray eny anivon’ny anjerimanontolo : « Ny ministra manana ny fahaiza-manaony ary tokony ahavita be fa ny politika no mibaiko azy ka mahatonga ny sasany tsy manao ny asany amin’ny ara-dalana ».
« Asa fa tsy kabary », izay no azo hamaritana ny hetsika ataon’ireo ministra isan-tsokajiny maromaro. Hita fa miezaka manatanteraka ny velirano napetraky ny Filoham-pirenena. Azo atao ary vita tsara arak’izany ny mahatanteraka ny vina IEM izay naroson’ny Filoha raha tena manao sy mampandroso ny asany avokoa ireo mpikambana rehetra mandrafitra ny governemanta. Azo inoana ny hampandroso an’i Madagasikara raha mazoto mikatsaka ny tombotsoan’ny vahoaka tahak’izao daholo ny ministra isan-tsokajiny mandrapahatapitry ny fe-potoana iasany fa tsy am-boalohany fotsiny ihany.
Tsangy Randriamampianina
