Tokony nametra-pialàna ve ny ministra Brice Randrianasolo ?
Tsikaritra fa tsy nanatrika ny fivoriana voalohan’ireo Minisitra tamin’ny voalohan’ny herinandro teo ny Minisitry ny Harena ankibon’ny tany
Tao ahorian’ny resa-be nitranga mikasika ny Minisitry ny harena ankibon’ny tany, Brice Randrianasolo izay voalaza fa olona efa mpisoloky avo lenta dia nanapa-kevitra ity farany fa ametra-pialana. Nilaza izy fa « ny tombon-tsoa ambonin’ny firenena no katsahina ary izany no anton’izao fanapahan-keviny izao ». Fantatra ihany koa fa nametraka ny atao hoe « plainte de reserve » i Brice Randrianasolo, nanazava ihany koa izy mikasika ireo toe-draharaha anenjehan’ny be sy ny maro azy fa « nisy tokoa ny raharaha izay niankarany Tribonaly teto Madagasikara ny taona 2018 ary afaka madiodio izy tao ahorian’izany ».
« Efa fantatra fa tsy hanaiky ho diso amin’ny atsirambina izay nataony ny Fanjakana, ary dia nanery azy ametra-pialana mba tsy hitaran’ny tantara sy hanakonana ny paikady maloto izay nokasaina atao » raha naneho ny heviny i Rianja, olom-pirerena mpanarana akaiky ity raharaha ity. « Fanapahan-kevitra feno fahendrena ny nanaovany iny fanambarana fametraham-pialana iny fa tsy mbola niziriziry tahak’ireo teo aloha milaza fa manana ny rariny sy tsy diso » hoy kosa i Germaine.
Paik’ady diso kajy ve sa misy amin’ireo tandapa miara miasa akaiky amin’ny Filoha no mitady hamingana azy ?
Fanja Rakotoarisoa
