Anjeva : Tsy manana fahazoan-dalana hiantsona eo Ambohijatovo ny koperativa STAT
Nampimenomenona ny maro, indrindra fa ireo mponina ao amin’ny kaominina Anjeva ny zava-misy teo amin’ny lafin’ny fitaterana ny herinandro lasa teo. Araka ny voalaza, tsy niasa ireo fiara ao amin’ny kaoperativa STAT (fiara tapany maitso), izay mampitohy an’Anjeva sy Ambohijatovo; anton’izany ny tsy fananan’ireo fiara ny fahazoan-dalana (autorisation) hiantsona eo Ambohijatovo hatramin’ny fotoana nanombohany niasa teo ka hatramin’izao.
« Efa nisy ny fitadiavam-bahaolana natao sy ny fanelanelanana tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny mba hamahana ny olana. Ireo tomponandraikitra ireo izay samy mitady ny fanatsarana ny fitaterana eto an-drenivohitra ary miezaka mampanara-dalàna ny rehetra ao anatin’izany. » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Anisan’ny mampijaly ny mponina sy ny mpivezivezy ny resaka zotra-pitaterana, indrindra fa ireo fiara tapany maitso. Hirariana tokoa ny fivahan’ny olana haingana ary hisaorana ireo tomponandraikitra amin’ny fikaroham-bahaolana amin’izany » hoy i Rémi, mponina ao Anjeva.
Marihina moa, fa omaly alatsinainy no nihaona tamin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra ny ben’ny tanàna ao Anjeva, mba hijery ny vahaolana amahana ity olan’ny fiara fitateram-bahoaka ity. Izany ihany koa no natao mba ho fiarovana ny tombotsoan’ireo mpampiasa ny zotra.
Manitra Ramanantsoa
