ConseilTsidika

Fizahan-tany : Anisan’ny toerana misarika mahasarika mpizaha tany i Makay

Anisan’ny toerana kanto ary manintona ny maso avy hatrany ity toerana iray antsoina hoe « Makay » ity. Anisan’ny toerana misintona ary mahasarika ireo vahiny tonga eto Madagasikara izy. Any amin’ny faritra atsimon’ny nosy no misy azy, manelanelana an’Isalo sy Morondava. Araka ny voalaza, dia toerana navelan’ny ranomasina fahiny i Makay. Tazana amin’ny endriky ny toerana sy ny toe-tany ary ny toetr’andro ao izany.

« Tsy dia lavitra an’Isalo no misy ity faritra ity, izay tena mahasarika ireo mpizaha-tany tonga eto, mitsidika ny faritra atsimo. Anisan’ny olana sedrain’ireo mpitsidika azy ny fahasarotan’ny lalana makany, izay mila fitandremana tokoa » hoy i Ranto, mpikarakara dia.

« Ilaina ny fampahafantarana ny toerana tahaka izao mba hanomezana lanja ny lafin’ny fizahan-tany eto Madagasikara. Maro ireo faritra azo tsidihana ary tokony hampahafantarina ny taranaka, na ny eo afovoan-tany izany na ireo any amin’ny sisin-tany » hoy i Hasina, mpianatra momba ny fizahan-tany.

Hita taratra tokoa fa tena mana-karena toerana voajanahary miavaka ary tsy manam-paharoa i Madagasikara. Hanentanana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ny fandraisana an-tanana sy fikarakarana azy ireny satria ny lafin’ny fizahan-tany ihany koa dia mandray anjara lehibe amin’ny fampandrosoana maharitra.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire