PolitiqueTsidika

Solika : Manome tapa-bolana ny Madagascar Oil ny fanjakana Malagasy

Manome roa herinandro ny Madagascar Oil ny fanjakana Malagasy hanome drafitra mazava mikasika ny fitrandrahana solika. Tsy misy daty na fotoana mazava omen’ny Madagascar Oil hamerenany ny famokarana mantsy raha ny taratasy fampahafantarana nalefan’ny Ministeran’ny harena ankibon’ny tany tamin’ny alalan’ny Omnis.

« Misy fahatarana 7 taona ny fitrandrahana an’i Tsimiroro. Tsy tratra ny famokarana 6 000 barils isan’andro nandritra ny taona 2015-2017. Tsy tratra koa ny 10 000 barils isan’andro tokony novokarina nandritra ny taona 2017-2019 » hoy ny avy ao amin’ny Omnis. « Tsy tanteraka ny fanamboarana ny làlana RN1bis sy ny fitaterana ny vokatra amin’ny fantsona « pipeline ». Nijanona nandritra ny 6 taona ny fitrandrahana miaraka amin’ny tahiry 150 000 barils izay mitovy amin’ny famokarana vitan’ny kaompania ao anatin’ny 1 volana » hoy hatrany izy ireo.

Mila valiny ao anatin’ny tapa-bolana araka izany ny fanjakana Malagasy. Drafitra azo tanterahina ao anatin’ny fotoana voafetra no takian’izy ireo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire