Australie : Voafidy ho fitaterana an’habakabaka azo antoka indrindra eran-tany ny Qantas
Kaompaniam-pitaterana an’habakabaka miisa 385 no nojeren’ny Airlineratings.com akaiky namaritany ny fitaterana an’habakabaka azo antoka indrindra eo amin’ny lafiny fiarovana (sécurité) amin’ity taona ity. Tsy tafiditra ao amin’ny Top 20 an’io lisitra io akory ireo orinasam-piaramanidina ao Europe ankoatra ny zotram-piaramanidina nasionalin’i Portugal, TAP Air Portugal izay eo amin’ny laharana faha-6 ny filaharana.
Ny zotran’i Australie, Qantas no mitana ny laharana voalohany ao amin’io lisitra io. Marihana fa efa teo amin’izany laharana izany izy ny taona 2014 hatramin’ny 2017 sy ny 2019 hatramin’ny 2021. Manarakaraka azy ao kosa ny Air New Zealand (Nouvelle-Zélande) ; Etihad Airways (EAU) ; Qatar Airways (Qatar) ; Singapore Airlines (Singapour) ; TAP Air Portugal (Portugal) ; Emirates (EAU) ; Alaska Airlines (USA) ; Eva Air (Taïwan) ; Virgin (USA) ; Cathay Pacific (Hong Kong) ; Hawaiian Airlines (USA) ; SAS Scandinavian Airlines (Scandinavie) ; United Airlines (USA) ; Lufthansa (Allemagne) ;Finnair (Finlande) ; British Airways (Royaume-Uni) ; KLM (Pays-Bas) ; American Airlines (USA) ary Delta Air Lines (USA).
