Ambohimangakely : Nisy ny fifampiarahabana nahatratra ny taona teo amin’ireo mpanabe avy amin’ny lycée sy CEG
Notontosaina tamin’ny zoma 27 janoary teo ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao teo amin’ireo tomponandraikitra sy mpanabe tao amin’ny lycée sy ny CEG Ambohimangakely. Anisan’ny tonga nanontrona izany lanonana izany ihany koa ny ben’ny tanàna ao an-toerana, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy.
« Fotoana hifanomezana rehefa tonon-taona tahaka izao ny fanatanterahana ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao. Mifanome fotoana eto avokoa ireo tomponandraikitra sy mpanabe avy amin’ny ambaratonga faharoa sy ny lycée » hoy ny avy amin’ireo tompon’andraikitra.
« Amin’ny maha tonon-taona azy moa dia ny fifampirariana soa sy ny fahombiazana ary fivoizana ny firaisan-kina no tena natao. Tsy latsa-danja anefa ny fanomezana toerana ny lafin’ny fanabeazana eto amin’ny kaominina » hoy hatrany ny fanazavana.
Nisy ihany koa moa ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpampianatra nandritra izany fotoana izany, ary nisy ny fizarana mofo mamy nentina nanamarihana ny lanonana.
Manitra R.
