Dépêches

Fampianarana : Efa misokatra ny fisoratana anarana amin’ny fanadinana BEPC

Dépêche 31 janvier, 12h, Araka ny daty izay efa nipetraka dia ny 3 ka hatramin’ny 6 jolay izao ny fotoana hanatanterahana ny fanadinam-panjakana BEPC. Mifandray amin’izany indrindra dia efa nisokatra nanomboka omaly 30 janoary ny fisoratana anarana ho an’izay hiatrika izany fanadinam-panjakana izany ary tsy hifarana raha tsy ny 31 martsa izao. Mbola manana fotoana malalaka noho izany ireo sekoly sy Ray aman-dReny izay hanoratra ny zanany amin’izany fanadinana izany. Raha tsiahivina dia ny 24 janoary teo ka hatramin’ny 24 martsa kosa nyb fisoratana anarana ho an’ny fanadinana CEPE izay hanentanana hatrany ny tsirairay amin’izany.

Laisser un commentaire