Lisitry ny mpifidy : Olona miisa 10 358 575 no tafiditra ao raha ny antontan’isa vonjimaika
Dépêche 01 juin, 14h, Mpifidy 10 358 575 no voasoratra anarana anatin’ny lisitry ny mpifidy, araka ny antontanisa vonjimaika azo avy amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana. Nifarana omaly 31 mey ny fisoratana anarana teny anivon’ny fokontany. Araka izany mbola ao anatin’ny fandraiketana anaty solosaina ny mombamomba ny olompirenena nisoratra anarana ny ekipan’ny CENI manerana ny Nosy amin’izao. Tokony ho vita hatramin’ny 4 jona izao izany fampidirana anaty solosaina izany. Ny 10 jona no voatondro hamaranana ofisialy ity fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana nasionaly ity.
