Tranga fakana an-keriny : Omena valisoa izay manome vaovao mari-pototra
07 Jona, 08h30. Manoloana ny tranga fakana an-keriny niseho teto an-drenivohitra dia misy valisoa omena ny olom-pirenena izay manome vaovao mari-pototra mahakasika izany raha ny fampitan’ny polisim-pirenena. Ny laharana 988 no afaka hifandraisana amin’ireto farany. Marihina fa hazonina ho tsiambaratelo ny mahakasika izay olona tsara sitrapo.
