Alasora : Misy ny fanaovana kopia faobe
Misokatra ny fisoratana anarana manomboka izao manerana ny Fokontany ao Alasora ho an’ny fikarakarana ny kopia faobe ho an’ny ankizy latsaky ny 18 taona. Mbola betsaka ny ankizy tsy manana kopia ao anatin’ny kaominina Ambanivoitra Alasora amin’izao.
« Mbola mandalo dingana maro raha tsy tafiditra ao anatin’ny iray volana nahaterahan’ny zaza iray, ka ny fanaovana ny kopia faobe no fanararaotana ny fanaovana azy » hoy ny sefo fokontany iray. « Tsotra ny taratasy ilaina rehefa hangataka hanao izany dia ny taratasy fanamarinam-ponenan’ilay zaza hanaovana kopia sy ny an’ilay mpangataka ary ny karapanondrony » hoy ny avy ao amin’ny kaominina. « Mety mihitsy ny tahaka izao satria somary sarotra ny fanaovana izany raha tsy misy ny faobe ary mety handaniana volabe mihitsy aza » hoy i Voahirana, renim-pianakaviana monina ao Alasora.
Mila mananararaotra ny fotoana tahaka izao noho izany ny rehetra satria tena ilaina amin’ny maha olom-pirenena ny kopia, tsy afaka manao na inona na inona amin’ny raharaham-panjakana raha tsy misy ny kopia na hatramin’ny fianarana aza. Ho betsaka ve ny olona hazoto amin’ity fanaovana kopia faobe ity ?
Nicole Rafalimananjara
