Anjeva : Nahazo jiro miisa 30
Noraisin’ny kaominina Anjeva ny 11 janoary teo ireo jiro miisa 30. Entina hanazavana ny tanàna ireto jiro ireto, ary mandeha amin’ny herin’ny masoandro avokoa. « Tsy maintsy mahazo ny anjarany avokoa ny kaominina rehetra eto Avaradrano. Natao ny fizarana mba hampihenana ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana eto Avaradrano » hoy ny Solombavambahoaka voafidy tao Avaradrano.
« Tanàna milamina sy mandroso no tanjona. Tsy ho latsa-danja amin’ny kaominina hafa i Anjeva. Voaray teto amin’ny lapan’ny tanàna ny anjara jiron’Anjeva » hoy ny Ben’ny tanàna eto Anjeva, Raoeliarison Haja Yves. « Tena manampy betsaka anay eto tokoa ny hazavana amin’ny alina. Misaotra indrindra tsy nanadino anay » hoy i Albert, mponina ao Anjeva.
Marihina fa nahazo fanomezana tany amin’ny kaominina Anjeva ihany koa ny mpitondra telo mirahalahy eto Avaradrano. Tena ilaina amin’ny fampandrosoana ny tanàna tokoa ny tahaka izao.
Nicole Rafalimananjara
