ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Nitroatra ireo mponina mpampiasa ny zotra E

Nitroatra manoloana ny fomba fiasan’ny zotra E, izay mampitohy an’Ambohimangakely amin’ny Ankadimbahoaka Fasika ireo mponina mpanjifa ny zotra, tamin’ny alarobia hariva teo. Efa ela no naneho tsy fanajana ny mpandeha ary miodina an-dalana ity zotra ity, raha ny voalaza.

« Efa ela ny nandeferana sy tsy nitenenana manoloana ny hafitsok’ity zotra ity ny mpandeha. Isan-kariva dia tena milahatra ny olona eto ary ny ataon’ireo taxi be dia ny manivana sy miodina an-dalana. Leo ny olona ka namaly ny tsy rariny ny farany » hoy i Zoly, mpandeha amin’ny zotra

« Misy farany avokoa ny fahanginana sy ny fandeferan’ny mpandeha manoloana ny tsy rariny sy ny fomba fiasan’ity zotra ity. Miandry ny fandraisana fepetran’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny mba hirotsaka an-tsehatra manoloana izao » hoy i Tiana, mponina ao Ambohimangakely.

Efa hatramin’ny ela no efa nanao fitarainana mahakasika ny fomba fiasan’ ity zotra ity ny mponina. Ny fifanajana no anisan’ny zava-dehibe mila apetraka manoloana ny tranga tahaka izao satria mifameno ary mifampiankina ny asa amin’ny sehatra tahaka izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire