ActualitésTatitra

Canada: mpilalao horonantsarin’olondehibe iray voampanga ho nanao herisetra

Mbola tsy ela akory izay no voaheloka ho nanao herisetra ara-nofo tamina tovovavy ity mpilalao horonantsary mamofady ity. Voampanga ho nanolana tovovavy 3 hafa sahady indray izy, izay voalaza fa nomeny zava-mahadomelina ny roa tamin’ireo. I Mam Steel no ahafantarana azy eo amin’ny tontolon’ny horonantsary, Marc-André Moisan kosa no tena anarany. Tao anatin’ny herinandro monja, fiampanagana 12 no efa voarain’ny lapan’ny fitsarana ao Saint-Jérôme mikasika azy. Voaheloka ho nitahiry zava-mahadomelina izy, naka an-keriny, nanao fanafihana sy herisetra ara-nofo nitam-piadiana. Niharan’ny herisetra ara-nofo na nalaina an-keriny tao aorian’ny fihaonana tao amin’ny tambajotra sosialy ny sasany amin’ireto tovovavy ireto, araka ny nolazain’ny Sûreté de Québec ny alarobia teo. Ny alatsinainy teo koa, voaheloka tamin’ny resaka fanararaotana ara-nofo nataony tamin’ny vehivavy iray i Moisan. Hiakatra fitsarana ny 14 septambra izao ity mpilalao horonantsary mamoafady be mpanaraka ao amin’ny tambajotra sosialy ity momba ny heloka nataony tao Mirabel ny desambra lasa teo, toerana fonenany. “Tao aorian’ny fampitam-baovao momba ity fiampangana azy voalohany ny volana desambra ity, maro ireo niharam-boina no tonga nametraka fitarainana”, hoy hatrany i Sergent Marc Tessier, mpitondra tenin’ny SQ.

Laisser un commentaire