Chine : Hametra-pialana ny filohan’ny Bytedance (TikTok)
Nanambara ny fametraham-pialany androany alakamisy ny filoha sady mpiara-manorina ilay orinasa Bytedance, tompon’ny TikTok. Manana vola mitentina 36 miliara dolara any amin’ny banky i Zhang Yiming, mpanakarena fahasivy ao Chine ny taona lasa, araka ny fandaharana nataon’i Forbes. Tamin’ny mailaka naefany tamin’ireo mpiara-miasa aminy no nilazan’i Zhang fa te hifantoka amin’ny paikady maharitra ho an’ny fikambanana izy. Teraka ny taona 1983 izy. Namindra ny fahefany amin’i Liang Rubo, izay mpiara-manorina ny Bytedance ihany koa. Hametraka ny antanan-tohatra ahafahana manao ny famindram-pahefana izy roa ireto ao anati’ny enimbolana manaraka. Ny volana novambra lasa teo no nitatitra ilay masoivoho mpamatsy vola Bloomberg fa mikasa hampiditra ny sasany amin’ireo asany ao amin’ny Bourse-n’i Hong-Kong i Bytedance, izay mitentina 2 000 tapitrisa dolara. Naira-nanorina an’i Bytedance i Zhang Yiming ny taona 2012 tao Pékin ary anisany zava-bita lehibe indrindra ny fametrahana ilay application TikTok, izay tena ampiasain’ireo tanora maneran-tany. Nalaza be tany Etas-Unis io hany ka nampidirin’ny governemantan’i Trump ho lisitra mainty noho izy nahiana ho fitaovana mpitsikilo. Any Chine, mitovy amin’ny Douyin ny Tiktok.
