Tunisie : Mbola mibaby trosa mavesatra
Ao anaty fifampiraharahana tanteraka amin’ny Fonds Monétaire International (FMI) i Tunisie ankehitriny amin’ny findramam-bola 4 miliara dolara. Faninefany tao anatin’ny 10 taona izay ity firenena ity no nangataka fanampiana ara-bola tamin’ny fikambanana. Anisan’ny tena nanimba ny toe-karena ao Tunisie izay efa nalemy, ny valan’aretina covid-19. Mila manova paik’ady ara-toekarena i Tunisie mba hialana amin’ny trosa hoy ny mpahay toe-karena, Fadhel Kaboub. Mila manafatra sakafo sy angovo maro izy, manafatra vokatra be sandany mba hampandeha ny indostria ary ny fitaovana avo lenta. Ho setrin’izany kosa, mila manondrana vokatra amin’ny sandany ambany toy ny menaka sy ny lamba.
