Nodimandry i mopera Henryk Sawarski
21 May, 09h00. Nindaosin’ny fahafatesana i mopera Henryk Sawarski ny 19 may lasa Teo. Efa niasa 40 taona teto Madagasikara izy. Pretra poloney nanangana ny vondrom-bavaka Jesoa be famindram-poa tao amin’ny Chapelle St Luc Befelatanana. Nikarakara Marary tao Befelatanana sy tany port berger izy nanomboka ny taona 2015. Nahalala tanana Teo amin’ireo voafonja ihany koa izy.
