Cote d’Ivoire : Nafahana ny fonja ny filoha teo aloha Laurent Gbagbo
Tapaky ny avy ao amin’ny Cour Pénale Internationale na CPI ny hanafahana an’i Laurent Gbagho izay filoha teo aloha any Cote d’Ivoire ny Alarobia 31 martsa teo. Izy izay voaheloka noho ny heloka bevava nataony izay nanitsakitsaka ny zo maha olona ny taona 2010 sy 2011. Izy no filoham-pirenena notsaraina nanoloana ny tribonaly voalohany indrindra. Noho izany, afaka miverina soa aman-tsara any amin’ny tanindrazany any Cote d’Ivoire izy aorian’izao fanafahana azy izao.
