Etats-Unis : Orinasa matanjaka indrindra eran-tany
Amazon no eo amin’ny laharana voalohany amin’ny orinasa matanjaka indrindra eran-tany 2021. Niavoatra 60% izy raha hoarina amin’ny taona lasa. Mitentina 684 miliara dollars ny teti-bidiny. i Apple kosa no manaraka azy, arahin’i Google, Microsoft. Tafiditra amin’iro 10 voalohany ihany koa i Facebook, Visa ary McDonald’s. Ireo sehatra ao amin’ny internet no tena miroborobo raha ny fanazavana, sehatra tsy mitsahatra mivoatra izy.
