Tanzanie : Iza moa i Abdulrazak Gurnah ?
I Abdulrazak Gurnah no nahazo ny « prix nobel de la littérature 2021 ». Teraka ny 20 desambra 1948 tao Zanzibarizy ary monina ao Royaume-Uni ankehitriny. Mpanoratra tanzanien manoratra amin’ny teny anglisy ny tenany, ary anisany bokiny tena malaza ny Paradise (1994), Desertion (2005) ary By the Sea (2001).Ny asa sorany niresaka ny fanjanahantany kosa no naharesy lahitra ny mpitsara ny « nobel ». Niavaka ny fangorahany sy ny tsy fanomezany marimaritra iraisana amin’ny vokan’ny fanjanahantany ary ny hoavin’ireo mpitsoa-ponenana voafatotriny ny kolontsaina sy ny firenena raha ny fanazavana.
