Etats-Unis : Aretina ny fahanterana hoy David Sinclair
« Voajanahary ny fahanterana ary tsy azo hidovirana ». Tsy miombin-kevitra amin’izany i David Sinclair, « généticien » sy siantifikan’i Harvard. Azo hahemotra ny fahanterana hoy izy ary efa nandinika momba izany nandritra ny 20 taona izy. Efa nanoratra boky mitondra ny lohateny hoe « Lifespan » izay mirakitra fa azo hialàna ny fahanterana.Misy fomba vitsivitsy fotsiny arahina hoy izy dia azo atao ny miaina elaela kokoa sady ara-pahasalamana tsara. Efa eo ampamolavolana fanafody mampiadna izany ihany koa izy ary efa atao fanandramana amin’ity taona ity. Aretina hoy izy ny fahanterana ka tokony hisy fanafody hanasitranana azy.Sehatra tena hiroborobo io sahanin’i David Sinclair io hoy i Merrill Lynch, vinavinainy ahazoan’ity mpikarika ity 600 miliara dollars US ity tetik’asany ity hatramin’ny taona 2025.
