Ambohimangakely : Mpangaro-paosy iray tratran’ny zandary
Mpangaro-paosy tao amin’ny kaominina Ambohimangakely no tratran’ny zandary avy ao an-toerana, omaly atoandro. Manjaka loatra ny tsy fahadriam-pahalemana ao anatin’ny kaominina, amin’izao fotoana izao, na eo amin’ny haro-paosy na fanendahana na ny hala-botry ian-karazany, araka ny voalaza.
« Manao ezaka hatrany ny mpitandro filaminana amin’ny fanenjehana sy fanatrarana ireo mpanao ratsy isan-karazany. Rehefa misy ny tranga mampiahiahy eny anivon’ny fiaraha-monina na mahita trangana asa ratsy, tsy tokony hisalasala ny olom-pirenena hiantso avy hatrany mpitandro filaminana » hoy ny avy amin’ny fitandroana ny filaminana.
« Efa maro loatra ireo mpanao asa ratsy amin’izao fotoana izao, ary tsy mifidy saranga, miseho amin’ny endriny maro mihitsy. Ilaina ny fandraisana andraikitra avy amin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny, indrindra ny any amin’ny fametrahana lalàna na sazy mifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny » hoy i Solofo, mponina ao Ambohimangakely.
Nahazo vahana ny tsy fahandriam-pahalemana tato ho ato. Ilaina ny fahamailona ho an’ny tsirairay, indrindra tokony hampiantso ireo tompon’andraikitra isan-karazany izay misahana izany. Tokony ho hentitra kosa etsy ankilazan’izay ny fametrahana sazy mifanaraka amin’ny asa ratsy tahaka izao, hisorohana ny fitroatry ny mponina sy ny fiverimberenan’ny asa ratsy.
Manitra Ramanantsoa
