SportTsidika

Ankadikely Ilafy : Hisy ny fifantenana ireo mpilalao baolina kitra

Hotontosaina ny 18 jona ny fifantenana ireo mpilalao baolina kitra sokajy « sénior » lehilahyizay handrafitra ny ekipan’ny Kaominina Ankadikely Ilafy. Ao amin’ny Kianjan’ny Fifankatiavana no hanatanterahana izany.

« Tokony hisoratra anarana ety amin’ny biraon’ny kaominina ireo liana. Mpanazatra matihanina no hanao ny fantina ireo mpilalao amin’izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Tena mahafinaritra ny fanomezana sehatra ny lalao baolina kitra tahaka izao. Miainga amin’ny kely tokoa no lasa lehibe handray anjara amin’ny lalao iraisam-pirenena avy eo » hoy i Manda, mpilalao baolina.

Manohana hatrany ny taranja baolina kitra ireo kaominina eto Avaradrano. Manomboka misokatra tsikelikely ihany koa ireo taranja hafa toy ny basket sy ny volley.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire