SocialTsidika

Betafo Ambohimangakely : Nandray fepetra haingana ny kaominina mikasika ny lalana ratsy

Betsaka ny fitarainana voarain’ny kaominina mikasika ny faharatsin’ny lalana ao amin’ny fokontany Betafo Ambohimangakely. Nandeha teny ifotony ny avy ao amin’ny kaominina ary nanatanteraka ny asa avy hatrany.

« Tsy tokony asiana andraso andraso intsony ny asa tahaka izao. Miantraika mivantana amin’ny mponina ny fotodrafitr’asa toy izao. Miezaka hatrany foana isika manova ny tanàna » hoy ny ben’ny tanàna ao Ambohimangakely, Radafindranaro Thierry. « Tena mampijaly ity lalana ity indrindra fa rehefa avy ny orana. Zary sakana lehibe tsy hisian’ny fifandraisana anefa ny lalana ratsy toy izao. Misaotra ny kaominina nandray andraikitra avy hatrany » hoy i Vero, mponina ao Ambohimangakely.

Anjaran’ny mponina ihany koa ny mikolokolo sy miaro ny fananana iombonana. Isany amin’izany ny lalana. Isan’ny lalana hizorana amin’ny fampandrosoana ny fanamboaran-dalana toy izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire