ActualitésTatitra

Canada : Misy fandrahonana ho faty sy herisetra mianjady amin’ireo jiosy monina ao Montréal

Nametraka fitoriana mikasika ny fandahonana ho faty sy herisetra atao azy sy ny namany ao amin’ny tambajotra sosialy ilay vehivavy jiosy 21 taona, hatramin’ny niverenan’ny fifandrafiana teo amin’i Israël sy Palestine. “Irariako mba ho faty ianao ao aorian’ny fanolanana ataon’ireo mpampihorohoro ireo anao izay namanao ihany. Tsy tianay ianao”. Toy izao no karazana hafatra voarain’i Ysabella Hazan, mpianatra lalàna, tao anatin’ny herianandro. “Tena maharikoriko izao zava-misy izao. Handefasana hafatra amin’ny Instagram aho irariana ahy mba hisy hanolana. Tadiavina fatratra ny fahafatesako” hoy ny fitarainan’ity vehuvavy jiosy monina ao Québec ity. Nandray anjara tamin’ny fihetsiketsehana hanohanana an’i Israël tao Montréal ny tovovavy ny alahady lasa teo. Niseho ilay fihetsiketsehana noho ny herisetra miseho eo amin’ny fanjakana Hebreo sy ny Palestine nanomboka ny fiandohan’ity volana ity ary mitohy hatramin’izao. Nihamafy anefa ny fihetsiketsehana teo ampovoan-tanàna rehefa nifandona mafy tamin’ireo mpanohana an’i Israël ny mpanohana an’i Palestine. “Nandefa sariko niaraka tamin’ny sainam-pirenena Israël aho nandritra ny fihetsiketsehana. Tao aorian’io no nanomboka ny fandrahonana rehetra. Maro ny olona nizara ny sariko ary miezaka mitady ny tranoko mihitsy. Manahy ihany koa aho amin’ireo tanora jiosy ao amin’ny fikamabanana misy ahy izy tena raiki-tahotra” hoy hatrany ny nambaran’i Hazan. “Tsy matahotra aho, fa na izany aza eto Montréal no misy ahy” hoy izy nanampy.

Laisser un commentaire