Kolontsaina : Ho avy amin’ny 23 septambra izao i Orelsan
Dépêche 16 septembre, 11h, Handray an’i Orelsan, mpanakanto frantsay efa manana ny lazany amin’ireo tanora, i Madagasikara ny 23 septambra izao, hanatanteraka seho antsehatra ao amin’ny lapan’ny kolontsaina Mahamasina izy amin’io andro io. Hisy fandefasana ny fanadihadiana mahakasika ity mpanakanto ity ny ampitson’io andro io ao amin’ny IFM, fanadihadiana izay nampitondraiana ny lohateny hoe : « Montre jamais ça à personne ».
