Ambohimangakely : Efa misy ny zotra vaovao
Efa mipetraka ary hiasa tsy ho ela intsony ireo zotra vaovao hiasa ao amin’ny kaominina Ambohimangakely sy ny kaominina manodidina amin’izao fotoana izao. Nampiditra zotra H ny avy ao amin’ny kaominina, niarahana niasa tamin’ny vaomieran’ny fiaterana mba hamaliana ny fangatahan’ireo mponina sy hamahana ny olan’ny fitaterana izay nampimenomenona ny mponina efa hatramin’ny ela izay.
« Ny hanala sy hanamaivana ny fahasahiranan’ireo mponina amin’ny olan’ny fiaterana no anisan’ny nametrahana sy nampidirana ny zotra vaovao mba hampifandray ireo amin’ireo kaominina rahavavy » hoy ny tomponandraikitry ny fitaterana.
« Mety ho voavaha amin’izay ny olan’ny taxibe fa efa ela koa izahay no nijaly. Amin’izao ihany koa hisy tsara ny fifaninana eo amin’ireo zotra ka mba entiny hanatsarana ny kalitaon’ny fitaterana ihany koa ny tahaka izao » hoy i Niry Mponina Ambohijanaka.
Hanafaka ny fahasahiran’ireo mponina tokoa no tanjona amin’ny fampidirana ny zotra H ao amin’ny kaominina izao. Ahazo tombony kokoa amin’izany ireo mponina ao Betsizaraina, Ambohibe, Ambohijanaka, Ankadikely Ilafy sy ny manodidina.
Manitra Ramanantsoa
