Mpanoratra : Toetra Ràja, poeta manana ny maha izy azy
Andrarezin’ny literatiora malagasy telo mianadahy nahazo Mariboninahitry ny kanto sy ny Soratra ary ny Kolontsaina « Commandeur de l’Ordre des arts, des lettres et de la culture » teny amin’ny tranombokim-pirenena Malagasy omaly 28 jolay i Rajaonarivony Toetra na Toetra Ràja.
Poeta nanangana ny tranonkala Poetawebs sy ny Havatsa UPEM Frantsa ny tenany. Namoaka ny boky Tiako-Tiako foana izy ary nandrindra ny boky Sorapiainana 1, 2, 3 izay maneho tantaram-piainana Poeta. Tafiditra ao amin’ny boky fampianarana PREPA fidirana amin’ny Sekoly lehibe momba ny varotra sy fitantanana any Frantsa ny tononkalony mitondra ny lohateny hoe « Etsy Matoria ». Mitaha amin’ny asa soratr’ireo Poeta malaza toa an-dry Lamartine, Ronsard, Alfred de Musset izay voarakitra ao amin’ny boky « Magie d’aimer » izany.
