ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Hisy ny kilalao sy fizarana vatomamy ho an’ny ankizy

Hisy ny hetsika fanentanana, kilalao sy fizarana vatomamy ho an’ny ankizy rehetra ao Ambohimanabola sy ny manodidina amin’ny alahady 01 Janoary 2023, izay atao eto amin’ity kianja akaikin’ny kianja fanaovam-baolina Papmad, fokontany Ampahimanga, ity. Raha ny voalaza, efa ho dimy taona izao no nisian’ity toerana ity teo ary efa maro ireo seho notontosaina na dia tsy mbola manaraka ny fenitra aza ny toerana.

« Ao anatin’ny fankalazana ny fety sy famalifaliana ny rehetra, hisy ny fizarana vatomamy izay atao eto. Manasa ihany koa ho an’ireo mahalala tanana na manana zavatra hatolotra dia afaka mizara izany amin’io alahady io » hoy ireo mpikarakara ny hetsika.

“Anisan’ny toerana fanatanterahana hetsika na lalao na fampisehoana eto amin’ny kaominina ity kianja ity. Hisaorana ireo nanajary sy nahatonga azy ho tahaka izao, ary handrasana moa hoe hisy fikarakarana izy ity ka mba hanaraka ny fenitra no hanisy endrika ny tanàna » hoy i Fidy, mpijery baolina kitra.

Coliseum kely no fiantsoana ity toerana ity, ary hankalazaina amin’io taona ho avy io ny faha 5 taona nisiany. Taratra amin’izany fankalazana izany izao hetsika fanentanana fizarana vatomamy sy fanentanana amin’ny kilalao ho an’ny ankizy izao. Mahazaka olona manodidina ny 3000 isa ity toerana ity raha ny voalaza hatrany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire