Comores : Vinavinaina hotakanana any amin’ny volana jolay 2023 any ny « Quartier des banques » nohavaozina
Hanavao ny endriky ny « quartier des banques » no vina hapetrakin’ny Exim Bank sy ny Ifc (Ingénierie financière et conseil) izay miara miasa amin’ny Fondation Mh ary eo ambany fiahian’ny ministeran’ny fanajariana ny tany. Nametraka ny vatofototra voalohan’io tetikasa io izy ireo ny alatsinainy teo izay natrehana tompon’andraikitra avy tao amin’ny Union Européen, « consul » Afrique du Sud, filohan’ny sendikan’ny Antenimieran’ny varotra ary tompon’andraikitra ara-diplomatika samihafa.
Io tetikasa io dia hotontosaina mandritra ny enim-bola ary vatsian’ny Exim Bank sy ny Ifc vola. Mahatratra hatramin’ny 16 tapitrisa francs comoriens ny fanatanterahana izany ka ny 10 tapitrisa no avy tamin’ny Exim Bank ary ny 6 tapitrisa no avy tamin’ny Ifc raha ny fanazavan’ny tale jeneralinn’ny Exim Bank, Guy Rwaburindi. Amin’ny volana jolay 2023 mandritra ny fetin’ny fahaleovanten’ny firenena kosa hoy no hokasaina hotokanana io « quartier des banques » io.
