Serbie : Nahazo amboara tamin’ny lalao tennis tao Belgrade i Matteo Berrettini
I Matteo Berrettini, mpilalao avy any Italie, no nahazo ny fandresena nandritran’ny fifanitsanana farany hiadiana izay ho tompon-daka ny alahady 25 aprily lasa teo, tao amin’ny renivohitry ny firenena Serbe tao Belgrade. Alsan Karatsev, lehilahy rosianina ,no nifanandrina taminy nandritra izany. 6-1,3-6, 7-6 no isa nandavoan’ i Matteo azy nandritra izany. Izy izay nanaja fatratra ny antana-tohatra rehetra, fa nanararaotra ihany koa ny faharerahan’i Alsan, izay efa nanana ny tantarany ihany koa nandritran’n fifaninana maro. Fahaefatra amin’izao izy no nanamarika ny asany teo amin’ny taranja tennis. Efa nandalo faharesena nandritra ny fifaninana ihany koa ity mpandresy ity, ary nisy fotoana ihany koa narara vokatr’izany. « Tsy mora ny fiverenana sy ny fanomanana ny lalao, saingy faly kosa aho rehefa azoko ny fandresena », hoy izy. Niasa sy nanao fanazaran-tena mafy sy henjana ihany koa izy vao nahazo izao fandresena izao. Mitana ny laharana fahafolo amin’ny ATP i Matteo Berrettini amin’izao, ary manana isa 3568.
