SocialTatitra

Etats-Unis : Fihetsiketsehana taorian’ny nahafatesana tanora iray nandrintra ny fitifirana niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana

Noferana tsy afaka nivezivezena tao Minneapolis, ny marainan’ny alatsinainy 12 aprily, toerana nitsarana ilay polisy nitifitra nahafaty an’i George Floyd, tanora maity hoditra iray. Anjatony maro ireo olona nanao fihetsiketsehana nanoloana ny biraon’ny polisy tao Brooklyn, Minneapolis misy io polisy nahavanon-doza io. Voatery nampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy “grenade assourdissantes” araka izany ireo manam-pahefana nanaparitahana ireo olona hoy ny mpanao gazety mpaka sary iray ao amin’ny AFP. Afro-amerikana i George Floyd. Ny volana may 2020 izy no maty raha tsiahivina. Nitsahan’ilay polisy ity tovolahy ity rehefa notifiriny ka naratra. Ny fotoana ela nanitsahana ny lohany no voalaza fa nahafaty azy. Tsy mbola fantatra aloha hatreto izay antony marina nanosika io polisy io nanao ny fihetsiny fa mbola andalam-panaovana ny fanadihadiana ireo manam-pahefana. Manameloka ny fanavakavaham-bolo-koditra misy ao Minneapolis kosa ireo olona nanao fihetsiketsehana ka maminavina ny hanohy izany mandritra ny volana maro.

Laisser un commentaire