SocialTatitra

Australie : Ravan’ny rivo-doza ny tapany atsimo

Tanàna lehibe 2 amin’ny faran’ny atsimon’i Australie no ravan’ny rivo-mahery sy ora-mikija vokatry ny rivo-doza Seroja ny alatsinainy 12 aprily. Efa nanimba ny ankamaroan’ny foto-drafitr’asa tao Timor oriental sy tao Indonésie ity rivo-doza ity ny herinandro lasa teo. Maherin’ny 200 ihany ireo olona maty tany an-toerana tamin’io fotoana io hoy ny sampana mpamonjy voina ao an-toerana. 70% -n’ny foto-drafitr’asa ao Kalbarri, sahabo ho 670 kilometatra avaratr’i Perth no rava tanteraka raha ny fanazavana. Tranom-panjakana maro ihany koa no simba hoy ny sampana mpamonjy voina Australienne. Ity no rivo-doza voalohany indrindra nanimba ireo toerana voatonona ireo hatramin’ny taona 1956 hoy ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro ao an-toerana.

Laisser un commentaire