Niger : Nofidian’ireo mpanongam-panjakana ho praiminisitra i Ali Mahaman Lamine Zeine
Raha tsiahivina dia nisehoana « putsch » na fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila tao Niger. Efa nanendry praiminisitra vaovao nefa izy ireo ny alin’ny alatsinainy teo dia i Ali Mahaman Lamine Zeine. Fanapahan-kevitra noraisina mba ezahan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena hamerenana amin’ny laoniny ny lalàm-panorenana ao amin’ny firenena izany raha ny fanazavana.
Teraka ny taona 1965 i Ali Mahaman Lamine Zeine, nanaraka fampiofanana ara-toekarena izy ary manana traikefa besaka amin’izany amin’ny maha solontena ny BAD (Banque africaine de développement) azy amin’ny firenena samihafa toa an’i Tchad, Côte d’Ivoire ary Gabon. Ny taona 1991 izy no nanatevin-daharana ny minisiteran’ny toekarena sy ny vola ary lasa minisitry ny fitantanam-bola ny taona 2002.
